<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Sambatra ny nodimandry,
 Niala teto ka tafandry
 Ao ampofoan'i Kristy ;
 Ravoravo izao ny fony
 Ka tsy misasatra intsony,
 Mby ao am-pitsaharany.
 Ny asany tatý
 Manaraka azy arý,
 Haleloia !
 Tafiditra ao an-dapanao,
 Ry Jeso, ny malalanao.

[V2]
 Saotra, dera, laza, hery,
 Mba raiso ho Anao irery,
 Ry Zanakondry tokinay !
 Hianao dia nialoha
 Hanolotra anjara soa
 Ho an'ilay malalanay.
 Ny fahafatesanao
 No misy aim-baovao,
 Haleloia !
 Hahita Anao ny olonao
 Hohazavain'ny tavanao.

[V3]
 Tsy mba misy alina any,
 Jesosy no fahazavany
 Sy tena masoandrony.
 Azony izay niriny,
 Ka sambatra ny mpivahiny,
 Fa ao no tanindrazany,
 Fa efa tapitra
 Ny ali-maizina,
 Haleloia !
 Fa foana ny fasana,
 Maraina no miposaka.</lyrics>
<title>Sambatra ny nodimandry FFPM660</title>
<hymn_number>660</hymn_number>
<author>Ph. Nicolai</author>
</song>